Vonjeo Razily: Amin’ny Teny Malagasy

Razily

Hatramin’ny nisamboran’ny miaramila azy dia tsy hita intsony na Razily, izay hita mitondra ity saina eto amin’ity sary ity, na ny namany. Manay izahay ny momba azy. Matahotra izahay sao dia maty izy na voa mafy ny toe-batany.

Ny vaovao farany momba an-dRazily sy ny namany dia hoe ny nisamborana sy nanesorana azy teo amin’ny toerana filaharana. Nilaza tamin’ny fomba ofisialy moa ny tafika fa Razily sy ny namany dia hotsaraina fa “nangalatra saina”. Tsy nisy fanambarana hafa momba an-dRazily sy ny namany : tsy nisy vaovao momba ny hitsarana azy ire, tsy nisy vaovao momba ny hoe nalefa aiza izy, tsy fantatra na maty na velona.

Izahay teratany sy naman’i Madagasikara dia mahalala fa fotoana manahirana amin’ny tantaran’ny firenena izao. Ity korontana ity dia niteraka fahasahiranana ho an’ny Malagasy maro be, ary aina maro no efa nafoy hatramin’ny niatombohan’ity korontana ity tamin’ny volana Janoary. Izahay koa dia manahy ny fiaratsian’ny demokrasia sy tsy fanajana intsony ny fahafahana maneho hevitra any Madagasikara.

Ny anton’ity fakana sonia ity dia ny fanehoana ny tsy fankasitrahanay :

1) Ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny fitsarana amin’ny resaka fisamborana politika. Mamporisika ny mpitandro filaminana izahay mba hanome vaovao momba an-dRazily sy ny namany, ary koa mba hanome daty hoe rahoviana no ho tsaraina Razily sy ny namany, ary koa ireo mpaneho hevitra rehetra hafa ka nosamborina.

2) Ny tsy firaharahiana mihamibahana eo amin’ny fahafahana maneho hevitra any Madagasikara, na eo amin’ny filazana vaovao na mandritry ny fihetsiketsehana an-dalambe, araka ny nolazain’i Reporters Sans Frontieres.

3) Ny fampiasan’ny miaramila be loatra fitaovampiadiana ka miteraka ratra eo amin’ny olontsotra, indrindra moa fa ny ankizy.

Mahita koa izahay ny tsindry lehibe apetraky ny korontana eo amin’ny fiarahamonina Malagasy. Mangataka amin’ny governementa tetezamita izahay mba hamporisika ny fiombonana manerana ny nosy sy hetsika milamina avy amin’ny roa tonta mba tsy hisian’ny fitomboan’ny hery setra.

Ity fakana sonia ity dia ho ampitaina amin’ny lehiben’ny fitandroan’ny filaminan’ny Governementa tetezamity : Commandant charles Andriantsoavina.

Miangavy anao hanohana an’ity fakana sonia ity amin’ny fanomezana sonia ao amin’ny faritra fametrahana hafatra na koa ao amin’ny fanisana hevitra.
Hevero ihany koa ny mandefa ity any amin’ny mpisolo vava anao, na any amin’ny biraon’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana inquiries@un.org mba hamporisihana ny firenena hafa mba hitsara ny mpanao politika amin’ny zavatra vitany.


Who is Razily:

On March 28, Razily, an unarmed Malagasy man, stood tall as he carried a Malagasy flag, marching towards soldiers during a rally protesting the recent coup in Madagascar. As a shield, he wrapped a schoolbag around his chest. The soldiers fired tear gas at him to deter him from walking any further. Razily continued marching until he was surrounded by soldiers and pushed into the bed of their truck. Another young man who approached the soldiers to inquire about Razily's well being was also pushed into the truck. They have not been seen or heard from since. We are concerned about their well being.

Testimonies:

Ony: Razily : je m’incline avec le plus grand respect devant tant de courage et supporte cette pétition. Hitantana ny dianao anie Ny Tompo …/ ================= Ny Andry R: Ils démontrent par leurs actes leurs COURAGES. MISAOTRA RAZILY sy IANAREO NAMANY; Raha mbola velona aina izy ireo ka tafavoaka dia asiana indray ny pétition angatahana ny hanomezana azy 3 mirahalahy ny Grand Croix de 2ème classe , satria izy ireo no mendrika izany mihoatra noho izay nomena izany hatrizay. / =============== LR: "Razily embodied the hope of the silent majority that is neither pro-Rajoelina, nor pro-Ravalomanana, that believe that there is still room for understanding and compromise if we reach out to each other and think of the nation first ( hence the flag). The fact that he marched on undeterred by the bullets around him made a strong impression on many of us. Bloggers have the protection of being behind the computer screen, Razily did not." / ==================== Solofo:"quelles sont les charges contre-lui? (avoir porté un drapeau et avoir osé marcher vers les militaires?); Où est il en detention? A-t-il eu droit à un avocat ou au moins la visite des siens?"